Depiote “Del kely” : “Niketrika minisitra avy aty aminay ny mpitondra”

Nihemotra tamin’ny paikadiny ny fitondrana, araka ny nambaran’ny depiote “Del kely”, omaly, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, ao amin’ny onjampeo iray.

«Nikasa hametraka minisitra sarintsarina mpanohitra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana saingy nihemotra tamin’ny fotoana farany», hoy izy. Nohitsiny fa hampiaka-peo avy hatrany ny eo anivon’ny fanoherana raha miseho izany ary hidradradra fa tsy izy io. Antony mbola mampihodinkodina ny mpitondra sy mampihisatra ny fananganana ny governemanta izany, araka ny nambarany. Araka ny loharanom-baovao, efa mpikambana eo anivon’ny antoko HVM io nokasain’ny mpitondra ho minisitra io. Tsy raikitra indray anefa izany, araka ny nanamafisan’ity depioten’Ambaton­drazaka ity, tao amin’ny fandaharana.

Natsidiny sahady koa fa efa fantatra ny haha kandidàn’ny fitondrana ny depiote Gascar Fenosoa ho ben’ny Tanàna eto Antananarivo Re­nivohitra. Efa nantsoiny hoe “Ingahy Maire” ity solombavambahoakan’ny boriborintany fahatelo ity tamin’ny fihaonan’izy ireo farany ary natrehin’ny depioten’ny Firaisankina izany resaka izany… Na izany aza, notsindrin’ny depiote “Del kely” ny endrika fanaratsiana navoakan’ny vaovao an-tambajotra iray ny amin’ny nanaratsiany ny depiote Gascar Fenosoa. “Tsy mitombina ary lainga avokoa no avoakan’io gazety ana habaka io. Tokony hitondra porofo ny amin’izany amin’ny alalan’ny horonam-peo ahenoana ny feoko milaza ny nambarako izy ireo raha mitombina ny vaovao navoakany”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: