Mandray anjara amin’ny fiofanana mahakasika ny fampamokarana anaty rano ho an’ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo aty Afrika i Madagasikara amin’ny alalan’ny Talem-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Alaotra Mangoro. Hetsika izay atao ao amin’ny ivontoerana iraisam-pirenena Egyptianina momba ny fambolena (Eica) ao Le Caire, Egypta. Manotrona izany koa ny solontena maharitry ny « Agence japonaise de coopération internationale » (Jica) ho an’ny firenena Egypta. Miisa 12 ireo tekinisinina avy amin’ireo firenena manaraka ny fiofanana. Nilaza ny tomponandraikitra fa azo lazaina ho efa lasa lavitra amin’ny fiompiana trondro ny firenena Egyptianina. Mananika ny 2 tapitrisa taonina isan-taona ny vokatra ao an-toerana ary miantoka ny 80% ny famokarana ao an-toerana ny jono. Azo handratovana traikefa i Egypta sady antoka hahatrarantsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fiofanana atao.
Henintsoa H.