Marolafy ireo antony mampitontogana ny toekarena sy ny sandam-bola malagasy. Mbola marefo ny firenena ka mora lasibatry ny ady sy ny krizy iraisam-pirenena. Ankoatra izay, mahatratra hatrany amin’ny 80% ihany koa ny fanafarana ataon’i Madagasikara raha oharina amin’ny fanondranana ka mampiakatra ny vola vahiny mivoaka eto amintsika. Tao anatin’ny iray volana monja, mitotongana ny sandam-bola malagasy ary mananika ny 5 000Ar ny euro. Omaly, misanda 4 994,25 Ar ny euro iray ary 4 575,33 Ar ny dolara. Tsy marin-toerana ny toekarena malagasy ka mila mametraka politika ara-toekarena hentitra ny fitondram-panjakana. Mila hatsaraina sy hampanaraham-penitra ny vokatra eto an-toerana mba hahafahany mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mila hatsaraina ihany koa ireo fotodrafitrasa samihafa eto amintsika ary hampanarahana ny fivoaran’ny haitao ara-kajy mirindra ny fitaovam-pamokarana samihafa. Tombony ho an’ny Madagasikara ny fananana tanora betsaka izay loharanon-karena azo hamoronana asa.
Toekarena
« Sehatra iray mampidi-bola betsaka eto Madagasikara ny fizahantany saingy mitaky ezaka goavana ny fampiroboroboana izany. Tokony himasoan’ny fitondram-panjakana ny fanamboarana ireo lalam-pirenena rehetra fa indrindra ireo lalana mampitohy ireo faritra mahasarika mpizahatany », hoy ireo mpisehatra. Ankoatra izay, ampirisihina ihany koa ny fandraharahana manaja ny fifaninanana sy ny fenitra samihafa takina mba hiteraka asa ara-dalàna sy hiantoka ny fidiram-bola ho an’ny tokantrano maro, ahafahana mampandroso ny toekarena sy ny fiainan’ny tsirairay.
Henintsoa H.