Miroso amin’ny dingana fakan-kevitra ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra (Dric) Itasy sy ny Région Nouvelle aquitaine (RNA) hirosoana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampivoarana ireo orinasa kaoperativa ao amin’ny faritra Itasy. Namelabelatra ireo andraikitra sahaniny sy ny vinan’ny minisitera ny Dric nandritra ny fihaonany tamin’ireo delegasiona avy amin’ny RNA, ny herinandro teo.
Marolafy ny fiaraha-miasa azon’ny roa tonta tanterahina, toy ny fanamafisana traikefa sy fizohiana ireo mpisitraka ny tetikasa « One District One Factory (Odof)”. Eo ihany koa ny fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo mpikambana amin’ny orinasa kaoperativa, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora. Napetraka ho vaindohan-draharahan’ny roa tonta ny hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fandraharahana na ao anatin’ny faritra na ivelany. Tanjona, araka izany, ny hitondra fanovana eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy hampiroborobo ny orinasa kaoperativa. Ireto farany izay mpiara-miombon’antoka amin’ireo fampandehanana ny fandraharahana any an-toerana.
Henintsoa H.