Nisaotra ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny kandidà ben’ny Tanàna, Rinah Rakotomanga. “Isaorana izy namaly ny antso nataoko mba hisian’ny fifaninana masina eo aminay mianaka ka hirotsahany hofidina. Nihaino ny fangatahako izy ka ho adin’ombalahin’ny mpianakavy izy ity… Efa vonona aho sy ny ekipako”, hoy izy.
“Avelao ny fitsarana hanao ny asany manoloana ny raharahan’ny depiote Mahavitara Sylvestre, mbola any am-ponja”, hoy ny filohan’ny Antenimiera, i Tokely Justin. Nanteriny fa misy ny fisaraham-pahefana ka andraikitry ny fahefana mpitsara ny manatanteraka izany. Tsiahivina fa nampidirina am-ponja fony mbola kandidà ity depiote ity.
Namoaka filazana ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny hetra momba ny taratasy takina amin’ireo kandidà ben’ny Tanàna. Voatsiahy amin’izany ny fanaovana ny filazana ara-ketra sy ny fandoavana ireo hetra sy haba ao anatin’ny fe-potoana napetraky ny lalàna. “Eo koa ny fanefana ireo trosan-ketra rehetra, ahafahan’ireo kandidà manamarina ny maha mpandoa hetra ara-dalàna azy».
Ankasitrahana ny filoha Ravalomanana Marc fa tsy niamboho adidy, araka ny nambaran’ny depiote, Randrianasoloniaiko Siteny. “Mizotra amin’ny lalana ho any amin’ny fandresena isika amin’ny firotsahany ho kandidà izao. Sady fanohizana ny tolona izany no hamaranana haingana ity fitondrana kitoatoa, mampijaly vahoaka ity”, hoy izy.