Raha mahoraka ny fananganana governemanta, tsy azo atao ambanin-javatra ny mahakasika ny fifidianana ny ho ben’ny Tanàna. Indrindra ny eto an-dRenivohitra. Mbola malaza ho “favori” ny antokon’ny filoha teo aloha na ny Tiako i Madagasikara. Porofon’izany ny nahazoan’izy ireo toerana maromaro teto anivontany nandritra ny fifidianana solombavambahoaka.
Tsy midika anefa izany fa azony antoka ny fandresena na dia namoaka ny kandidà heveriny fa mafonja aza izy. Tsy mazavazava rahateo ny antony mamparisika an-dRavalomanana Marc hirotsaka ho fidina. Tena baikoin’ny fitiavana ilay tanindrazana ve sa mikononkonona valifaty politika? 20 taona aty aoriana ve no mifoha tampoka amin’ny torimaso tao? Efa noheverina ho misotro ronono!
Tsy azo tsinontsinoavina anefa izany. Mila mpifanandrina sahy sy manana ny maha izy azy koa raha te ho tafavoaka ny avy aty amin’ny andaniny. Tsy izay mafana fo sy entanentanin’ny fanambin’ny tenany manokana dia hilomay ho kandidà. Aiza ve koa ny sasany efa avy namotika izay azony nopotehina teto Madagasikara dia milaza ho mpanavotra an’Antananarivo indray.
Tsy ampy ny fizahozahoana hoe manana ny hatokona indray mandrotsaka dia milaza fa tsy handry fotsy intsony mandrakizay. Misy kandidà tokony ho lasa lavitra fa maimaika toa boka hanambady ihany koa. Hafa raha samy hafa ity Antananarivo ity. Manana fomba fisainana hafa sy fanaovana politika tsy ampoizina izay. Mandrongatra tampoka amin’ny fotoanany tsy eritretina izay. Mampandraingiraingy izay voafelany na voatsipaka am-bavafo.
Ny azo ambara dia ho henjana ny lalao. Mila hentitra ny fitsipika ifampifehezana.
r.r