Isalo: Trangan’afo ivelan’ny valanjavaboahary

Nitatitra ny zava-nisy tany Isalo ny mpitantana azy, Ma­da­gascar National Parks (MNP). Nisy trangan’afo ma­nodidina ny valanjavaboahary arovana, ny 18 aogisotra teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Mirefy 4 ha ny faritra may, izay rakotra bozaka sy vato. Tselatr’afo 3 mitsitokotoko niantomboka tany Zahavola, anelanelan’ny hotely Satrana Lodge sy ny Foibe fandikan-teny Isalo. Voafehin’ ny mpiambina ny valanjavaboahary, ny mpiasan’ny hotely, ny zandarimaria, ny fokonolona VOI, ary ny tanora mpianatra nivahiny tany an-toerana tamin’ny 10 ora alina ny afo. Tsy mbola fantatra ny tompon’antoka tamin’ity afo ity, mandeha ny fanadihadiana.
Tsiahivina fa fanindroany sahady ny fisian’ny afo tany Isalo tamin’ity volana aogositra ity. Olona 2 no voasambotra tamin’ilay afo, ny 3 aogositra teo. Taorian’ny fiakaran’izy ireo fitsarana, notazonina am-ponja vonjimaika ny iray, ary arahi-maso ara-pitsarana ny faharoa, izay vehivavy. Fitso­fohana antsokosoko sy fandoroana tanety anaty faritra arovana, fandoroana tanety ny vesatra hiampangana azy ireo.

Njaka A.

Partager sur: