Mpitendry, mpamorona, mpikarakara hetsika: vonona ny hanohy ny lalany i MC Dinah

Randrianarisoa Dinah, fantatra amin’ny anarana MC Dinah eo anivon’ny tontolon’ny hira sy ny fitendrena gitara ary ny famoronana. Taona 2016, nifoha ny aingam-panahy hoentiny mamoron-kira. Nohalalininy ihany koa ny fomba fitendrena ny gitara. Voaforony ny « Let’s sing together », hira voalohany. No­ho ny fifampikasohany tamina mpanakanto hafa, tahaka an’i Fy Rasolofoniaina, Eddie Rakotondrazay, Mas­nad sy ireo maro hafa, nitombo ny fahaizany sy ny fahafehezany ny kanto. Nisy fotoana nakan’i MC Dinah bahana… Ny taona 2019, rehefa niorim-ponenana any Toamasina izy no nahatsapa fa tsy hay vonoina na kosehina ny fitiavana lalina ny kanto an-kira sy ny fitendrena gitara ao anatiny, ka nanapahany hevitra fa hanohy ny lalany izy.
Taona 2020, nizara miandalana ny talentany tamin’ny alalan’ny fanaovana seho teny anivon’ny toeram-pisakafoana sy tany an-tokantranon’ireo olona tsotra liana amin’ny kanto voiziny i MC Dinah. Tazana sy heno eny anivon’ireo tambajotran-tserasera ma­ro ihany koa ankehitriny ireo vazony.
Maherin’ny 15 ny sanganasany ankehitriny. Andalana amin’ny fandraisam-peo azy ireo izy. Nampanantena i MC Dinah fa tsy midika fandaozany tanteraka ny sehatra akory ny fahanginana tato ho ato fa mbola vonona hampiasa ny talentany hatrany izy.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: