Nitsirara tampoka…: Raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana

Namoy ny ainy vokatry ny hanoanana ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo.

Tsy avotra intsony ny ainy! Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no hitan’ny fokonolona nitsirara tampoka tamin’ny arabe tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny alahady maraina teo. Nentin’ny olona haingana namonjy hopitaly tsy miankina iray tao Tanambao faharoa izy. Nanao izay ho afany amin’ny fitsaboana azy ny mpitsabo tao amin’io hopitaly io. Tsy nisy fianakaviana mpanaraka rahateo izy. Tsy nahitam-bokany anefa izany fitsaboana izany. Voatery nalefa tao amin’ny hopitaly CHU – Analankinina indray ilay niharam-boina taorian’izay. Efa tsy nisy aina intsony nefa izy tamin’ny fotoana nahatongavany tao amin’ny Hopitalibe Toamasina ka nalefa avy hatrany ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly.

Sempotra tampoka…

Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa noho ny tsy fahampian-tsakafo no nitarika ny fahafatesany. Nitarika fa­ha­semporana teo aminy iza­ny, araka ny fanazavan’ny dokotera ao amin’ny Hopita­libe .Voaporofo tamin’ny alalan’ny tsiranoka nivoaka tamin’ny vavany sy ny orony rahateo izany. Tsy vao izao no nahitana olona matin’ny hanoanana tao Toamasina. Vao haingana koa no nisy ilay raim-pianakaviana matin’ny hanoanana teo an-tokotanin’ny hopitaly iray ao Toamasina. Nitsabo tena tao amin’ny hopitaly saingy tsy nisy havana nanaraka izy. Mpiandry marary ao amin’ny hopitaly no nitsetra sy nanome sakafo saingy namoy ny ainy ity farany taorian’izay.

Sajo/J.C

Partager sur: