Oniversiten’i Barikadimy: Diovina sy harenina ny tranon’ny mpianatra

Nohatsaraina ny fotodrafitrasa momba ny tranon’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy. Naseho tamin’ny mpanao gazety izany, ny faran’ny herinandro teo.

Mitaky ezaka maro amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa ny anjerimanontolo ao Barikadimy, araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana. Mba hisian’ny filaminana sy filaminan-tsaina ary fahasalamana eo amin’ny mpisehatra rehetra. Naseho tamin’ny mpanao gazety, ny faran’ny herinandro teo, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa mahakasika ireo tranon’ny mpianatra miisa roa, misy rihana, ao an-toerana. Nam­piseho izany ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Dr Razanakolona Diny. Tanjona ny hananan’ny zanaka malagasy mianatra ao an-toerana fahaizana sy fahendrena amam-panahy. Hatsaraina avokoa ny mombamomba ny trano rehetra: ny rindrina ivaleny sy anatiny, ny trano fandrahoana sakafo, ny trano fivoahana sy fidiovana… Apetraka ao an-toerana ihany koa ny lafiny fandriampahalemana sy filaminana anatiny, mba hisorohana ny fahaverezan’entan’ireo mpianatra, izay mateti-piseho. “Fanamby apetrak’izy ireo ny hanafoana tanteraka ny tsy fandriampahalemana sy ny korontana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny mpianatra”, hoy ny filohan’ny Oni­ver­siten’i Barikadimy, Dr Raza­nakolona Diny. Ankoatra izay, ezahina ihany koa ny hisian’ny milina goavana hamatsy herinaratra any an-toerana, mba hisorohana ny fahatapahan-jiro izay miteraka korontana eo amin’ny mpianatra. “Fanahy sy Fahaizana no maha olona”, io ny teny filamatry ny Oni­versiten’i Barikadimy-Toa­ma­sina.

Sajo

Partager sur: