Rugby sokajy vehivavy – «Mondiaux D3» : hivoaka anio ny anaran’ireo Makis Ladies ho any Dubaï

Ho fantatra amin’ity anio ity ireo mpilalao handrafitra ny Makis Ladies hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany sokajy D3, taranja rugby, lalaovin’olona 15. Miisa 35 ireo hifantenana ho amin’izany.

Raha tsy misy ny fiovana, hamoaka ny anaran’ireo mpilalao ho ao anatin’ny Makis Ladies ny mpanazatra sy ny Malagasy Rugby, amin’ity talata ity. Ny Makis izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Dubaï, manomboka ny 27 septambra ho avy izao. Raha tsiahivina, ny sabotsy lasa teo no niatrika lalao tsapa tetsy amin’ny Kianja Makis izy 35 mirahavavy. Niatrika ny fampivondronana sy ny fanomanana amin’izany lalao avo lenta izany. Ankoatra ny tanjaka sy ny fahaizam-baolina ary ny haben’ny vatana, nojerena tamin’izy ireo ihany koa ny fahaizany mandray ireo teknika sy taktika nomena.
Nampiarahina ireo mpilalao efa tao anaty Makis sy ireo vaovao, nandritra ny fitsapana. Anisan’ny nanatrika ny lalao tsapa nataon’izy 35 mirahavavy i Antoine Mobian, na­nomana ara-batana ireo mpilalao. Tsiahivina fa na­nam­py ara-teknika ilay Afri­kanina Tatsimo, i Steph Nel, saingy efa lasa niverina any amin’ny tany niaviany.
Omaly, niverenan’ireo teknisianina rehetra nojerena ny horonantsary nandritra ilay lalao tsapa, mialoha ny tena hamoahana ny anarana ofisialy.
Marihina fa ao amin’ny vondrona «B» ny Makis, miaraka amin’i Fidji sy i Pays-Bas. Tsy midona akory izy ireo fa mifampitana amin’ireo ao amin’ny sokajy “A” misy an’i Espagnie sy Hong-Kong Chi­ne ary i Samoa.
Raha ny fandaharan-dalao, hidona voalohany amin’ny Makis Ladies i Espagne, ny 29 septambra ho avy izao. Ny 4 oktobra ny lalao faharoa hikatrohany amin’i Hong-Kong Chine ary ny 11 oktobra ny fihaonana amin’i Samoa. Samy ao amin’ny kianja The Sevens Stadium avokoa no hanatontosana ireo lalao rehetra ireo

Tompondaka

Partager sur: