Sinema Malagasy : zavakanto feno ny horonantsary « Domboeza »

Ankoatra ny fampialana voly. Mitondra fahalalana vaovao sy mamelona indray ireo kolontsaina malagasy, avy any amin’ny faritra ny “Domboeza”. Izany indrindra no ilazana fa feno tanteraka ny fepetra maha zavakanto azy.

Hisy ny fandefasana ny horonantsary fanadihadiana « Domboeza », ao amin’ny Alliance Française d’Antsiranana, ny 22 Ao­gositra 2024. Araka ny nambaran’i Geoffroy Gaspard. Na­tao izao fandefasana manokana izao ho fanomezam-boninahitra ireo mpandray anjara sy ny olona nanampy tamin’ny fanatontosana ny « Dom­bo­eza », avy ao an-toerana. Any ho any amin’ny faran’ny volana septambra any no vinavinain’ny mpanatontosa hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny horonantsary fanadihadiana.
Horonantsary fanadihadiana, maharitra ora 2 sy 20 minitra ny “Domboeza”. Geoffroy Gaspard, Malagasy mpanatontosa horonantsary no nanatontosa azy, niara-niasa tamin’ny trano famokarana Koezy Company. Tany amin’ny faritra Avaratry ny Nosy tany no nanatontosana azy ity. Asongadina manokana ao anatin’izany ny Morengy. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa fiaraha-miasa isam-paritra “fahalalana, fampitana ary fanomezan-danja ny haiady nentim-paharazana eto amin’ny ranomasimbe Indianina” izy ity. Ary ny “Domboeza” no horonantsary fanadihadiana voalohany natokana ho an’i Morengy.
“Domboeza” no anarana ilazana ny don-damosina atao amin’ireo mpifanandrina, alohan’ny hirosoana amin’ny ady. Toraka izany ity sarimihetsika ity, te-handona ihany koa ireo fiheverana fa ady tsy misy hasiny ihany no votoatin’io ko­lontsaina io. Mampaha­fan­tatra tontolo mivelatra kokoa ary kolontsaina lalina sy mifono ny fifandraisana amin’ny tsy hita maso kokoa ny “Domboe­za”.
Any avaratr’i Madagasi­kara no ilalaovana ny haiady nentim-paharazana antsoina hoe Morengy. Faritra iray manontolo no mirehareha sy mankalaza ary mampiroborobo azy ity amin’ny fitotorebikin’ny Salegy, ny horakorakin’ny vahoaka, miaraka amin’ireo fomba amam-panao ara-drazana sy izato tany mena, sehatry ny kilalaon’ady.

Lin

Partager sur: