Tahirimbola ho fampiroboroboana ny famokarana (FDA) : manome tohana hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar ho an’ny tantsaha

Manome tohana ara-bola ho fampiroboroboana ny seha-piharian’ny tantsaha ny Tahirimbola ho fampiroboroboana ny famokarana (FDA), ho fampandrosoana ny famokarana sy ny toekarena.

Mahatratra hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar ny tohana ara-bola omen’ny Tahirimbola ho fampiroboroboana ny famokarana na “Fonds de développement agricole (FDA)” ireo tantsaha mandeha irery. Miankina amin’ny tolotra omeny kosa ny an’ny fikambanana tantsaha. Mano­me tohana sy hampitombo ny vola miditra ho an’ny tsantsaha ary hampiroborobo ny toekarena, araka izany, no tanjona apetraky ny FDA. Tohana ara-bola entina hampandrosoana ny seha-pihariana momba ny fambolena sy fiompiana ary jono. « Ireo tantsaha mandeha irery na ireo fikambanana tantsaha mijoro ara-dalàna no afaka misitraka ny fanohanana », hoy ny tomponandraikitry ny seraseran’ny FDA, Ranaivoson Liankanto. Maimaimpoana ny tohana saingy mila mitondra ny anjara birikiny ao anatin’ny tetikasa ireo maniry hisitraka izany. Araka izany, afaka manatona ny biraon’ny FDA miisa 23 manerana ny Nosy ireo tantsaha maniry hisitraka izany.

Fanampiana
Manampy ny tantsaha hitady lalam-barotra ny FDA saingy mijanona ho mpanelanelana fotsiny amin’ireo tantsaha sy ny mpandray ny vokatra. Laharam-pahamehany kosa ny fampivoarana ny famokarana sy ny toekaren’ireo mpisehatra mba hiantraika mivantana eto amin’ny firenena. Ankoatra izay, mitentina hatrany amin’ny 54 miliara Ar ny tohana ara-bola nataon’ny FDA tamin’ireo tetikasa 32 520 nahazo izany, hatramin’ny taona 2016. Miisa 256 992 kosa ireo tantsaha nisitraka ny tohana. Betsaka ihany koa ireo fotodrafitrasa natsangany sy ny fampitaovana nataony ary ny fiofanana nomeny. Mpiara-miombon’antoka aminy ho fanantanterahana ny fandaharanasa ny Vondrona eoropeanina (UE) ao anatin’ny tetikasa “Fandroso”, ny fandaharanasa “Défis”, ny tetikasa “Purpa” sy ny maro hafa.

Henintsoa Hani

Partager sur: