TARATRY ny KANTO

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Ikm Antsahavola, ny atrikasa fifampizarana mahakasika ny fanaovana sary Varatava. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny Varatava » izy ity. Matihanina, vao misandratra, ary ireo maniry hisehatra eo amin’io sehatra io no andrasana amin’izany.
Hiditra amin’ny andiany faharoa ny « Temps Fort Danse”. Taorian’ny fahombiazana nandritra ny andiany voalohany, ny taona lasa, ny 28 Aogositra 2024 hatramin’ny 14 septambra 2024 izao no hanatanterahina izany, eny amin’ny IFM Analakely. Tarika maro manana ny maha izy azy eo amin’ny dihy no handray anjara.
Mifarana anio ny fampirantiana sy varotra samihafa ao anatin’ny “Salon des Jeux de société” eny amin’ny AFT Andavamamba. Fifaninanana eo amin’ireo lalaon-tsaina maro no ho hita eny an-toerana manomboka rahampitso. Anisan’izany ny Belote, echecs, Scrabble…
Nahazo fankatoavana avy amin’ny mpikarakara ny fifaninanana « MR World”, ny mpikarakara ny Miss Madagascar. Hisy, araka izany, ny fifaninanana “Mister Madagascar”, manomboka amin’io taona ho avy io. Ankoatra ny hatsaram-bika sy tarehy ary fahaizana. Sivana hifantenana ireo mpandray anjara ihany koa ny fanaovana asa soa.

Partager sur: