Tafaverina eto Madagasikara ny sokatra miisa 142 naondrana antsokosoko, ny faran’ny herinandro teo. Tratra tatsy amin’ny Nosy Kaomoro izy ireo, herinandro vitsy lasa izay. Miisa 232 ny tena fitambarany, fa maty ny 90. Hapetraka any amin’ny Fitahirizana biby any Berenty Toliara, tantanin’ny fikambanana Turtle survival alliance (TSA) izy ireo. Ankoatra izany, eo am-panomanana ihany koa ny hampodiana ny sokatra sy varika tratra tany Thailandy izy ireo.
Nisy fiantraikany tamin’ny famatsiana herinaratra eto an-dRenivohitra. Nilaza ny Talen’ny Jirama fa handrotsahana orana artifisialy. Nandrahona sady nanerika ny andro, omaly, nisy rotsakorana madinika ny tapany afovoany atsinanana sy avaratr’Antananarivo. Raha ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, misy andiana andro ratsy ary mety hivadika rivodoza amin’ity herinandro ity, nomena ny anarana hoe « Ancha ».