Bakalorea tao Mahajanga :niakatra ho 61,89% ny taham-pahafahana

Nivoaka ny valim-panadinana bakalorea 2024 ho an’ny Oniversiten’i Mahajanga, 61,89% ny taham-pahafahana ankapobeny, izay niakatra raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa 56,69%, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. 61,31% ny taham-pahafahana ho an’ny fampianarana ankapobeny. A1 : 58,55%, A2 : 56,43%, C : 69,05%, D : 81,79%, L : 62,39%, S: 47,69% ary OSE : 79,42%. Ambony indrindra amin’ny taham-pahafahana ny sokajy D, manaraka ny OSE ary ny sokajy S no ambany indrindra amin’ireo sokajy rehetra amin’ny fampianarana ankapobeny. Ho an’ny sampana teknika , 72,71% ny taham-pahafahana ho an’ity taom-pianarana ity. 24 736 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana tamin’ny bakalorea teo, 23 170 amin’ireo natolotry ny sekoly ary ny15 66 nanolo-tena.
Fomba telo no namoahana ny valim-panadinana : amin’ny alalan’ny petadrindrina teny amin’ny foibem-panadinana, amin’ny tranokalan’ny Oniversiten’i Mahajanga ary amin’ny tambajotran-tserasera (facebook). Miara-miasa amin’ny orinasan-tserasera koa ny Ofisin’ny bakalorea ao an-toerana ka azo fantarina amin’ny fandefasana ny laharana amin’ny taratasy fiantsoana sy ny anarana ny valiny.

Vonjy

Partager sur: