Baolina kitra – Amboaran’ny Kaonfederasiona : hifandona, anio, ny Elgeco Plus sy ny CD Lunda Sul

Hifantoka any Angola avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra amin’ity anio ity. Hotanterahina any an-toerana mantsy ny lalao mandroso hiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona, hikatrohan’ny Elgeco Plus sy ny CD Lunda Sul.

Hiaka-tsehatra ny Elgeco Plus, anio, hiatrika ny dingana savaranonando mandroso hiadiana ny amboaran’ny Kaonfedera­si­o­na, taranja baolina kitra. Hifandona amin’ny CD Lunda Sul avy ao Angola izy ireo amin’izany. Tsiahivina fa tokony ho eto Madagasikara no hanaovana ity lalao ity saingy noho ny kianja tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf dia any amin-dry zareo avokoa ny hatao ny fihaonana mandroso sy miverina.

Anjaran’ny Malagasy izany ity lalao voalohany ity. Ho­tanterahina ao amin’ny kianja Estadio 11 Novembro, ny fihaonan’ny roa tonta, anio manomboka amin’ny 7 ora alina, ora eto Madagasikara. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona tanteraka hiatrika an-dry zareo Angoley. Efa nitsapa ny kianja ny Elgeco Plus, omaly. Nanambara ny fahavononany ireo mpilalao. Nanambara ry zalahy fa tsy hihafihafy mihitsy amin’ny lalao hatao anio.

Mila mamono baolina mialoha ary manamafy ny fiarovan-tena. Izay ny paikady nomena ireo mpilalao 11 miditra voalohany, araka ny fanambaran’ny Me Dekera, mpanazatra ny Elgeco Plus. “Tsy mahafantatra ny ekipan’ ny CD Lunda Sul izahay fa ny horonantsarin’izy ireo no hany mba hahalalana kely ny fomba filalaony”, hoy izy. Salama tsara avokoa ireo mpilalaon’ny Elgeco Plus ary manana toe-tsaina ambony ry zalahy, entina miatrika ny CD Lunda Sul.
Etsy an-kilany, mailo tanteraka ity ekipan’ny Lunda Sul ity na hilalao eo amin’ny kianjany aza. Nijery sy nanadihady ny lalaon’ny Elgeco Plus, tamin’ny alalan’ny fijerena ireo horontsary samihafa ihany koa ry zareo. Hatao ny alahady 25 aogositra ho avy izao ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta.

Tompondaka

Partager sur: