Maty nihosin-dra tao Morafeno Toamasina, afakomaly, i Marimoutou Frédéric, teratany frantsay novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana. Notapahan’izy ireo ny tendany.
Noraisin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava ao Tanamakoa Toamasina ny momba ilay raharaha famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Marimoutou Frédéric, teratany frantsay 61 taona. Hita faty nitsirara tao Morafeno Toamasina, afakomaly maraina, izy. Raha ny angom-baovao voaray, jiolahy roa nandeha bajaj no nahavanon-doza ka anisan’ireo niray tsikombakomba taminy ny mpamin’ilay bajaj. Namonjy karaoke tamina toeram-pilanonana iray ao Morafeno izy, ny alahady halina teo. Voalaza tao anatin’ny fanadihadiana fa hoe nisy volabe teny aminy. Nisy nahatsikaritra izany satria isaky ny mandoa ny vidin’ny lany dia mamoaka volabe hatrany. Niaraka tamina tovolahy sy tovovavy namany rahateo izy tao anatin’io karaoke io. Tsy visy rahateo ireo olona mahafantatra azy tao amin’io trano fisotroana ao Morafeno io.
Narahin’ny jiolahy…
Tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, niala tao amin’ilay trano filanonana izy. Taorian’ izay fotoana nialany izay no narahin’ireo jiolahy nandeha Bajaj avy aoriana izy. Ny fahitan’ireo olon-dratsy ny volabe nokirakirainy rahateo no nahatonga azy ireo nanaraka azy. Mody nihoaran’ireo jiolahy izy ka nendahin’izy ireo avy hatrany. Tsindron’antsy no niantefa teny aminy. Tsy vitan’izay fa mbola notapahin’izy ireo koa ny tendany. Nandriaka ny ra, lasan’ireo mpanafika ny vola tany aminy. Manoloana ity raharaha ity, ampolony ireo teratany vahiny nanaovana fanadihadiana momba ity vonoan’olona ity. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy.
Sajo/J.C