Fampianarana teknika: hiverina an-dakilasy ny 23 septambra

Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa fa handray ny asany ny 9 septambra ho avy izao ireo mpandraharaha misahana ny sekoly sy ivontoeram-panofanana teknika manerana ny Nosy. Hiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2024-2025 no antony. Ny 16 septambra no hiverina any an-dakilasy ny mpampianatra, raha ny 23 septambra no hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny fampianarana amin’ny sampana teknika.
Mizara telo volana telo ny taom-pianarana. 23 septambra ka hatramin’ny 20 desambra ny telo volana voalohany, izay misy fiatoana ny 26 oktobra hatramin’ny 3 novambra, mandritra ny fahatsiarovana ireo nodimandry. Manomboka ny 21 desambra hatramin’ny 5 janoary 2025 ny fialantsasatra krismasy. Hanohy amin’ny telo volana faharoa ny 6 janoary ka hatramin’ny 18 avrily. Maharitra 15 herinandro ny telo volana faharoa satria mandritra izany no manatanteraka ny fandaharam-pianarana rehetra mialoha ny hirosoana amin’ny fizarana sy ny fampiharana. Ao anatin’ny telo volana faharoa koa no hanamarihina ny Andron’ny sekoly teknika sy ny toeram-panofanana momba ny asa, ny 26 ka hatramin’ny 28 febroary.
Miala sasatra ny 19 avrily ka hatramin’ny 27 avrily ny mpianatra anatin’ny fetin’ny paska. Valo herinandro ny telo volana fahatelo izay maivana indrindra raha mitaha amin’ny roa voalohany. Ny 28 avrily hatramin’ny 20 jona ny tapany fahatelo farany amin’ny taom-pianarana izay hitsahatra tanteraka ny 21 jona.

Vonjy

Partager sur: