FANTINA sy FINTINA

Voalohany no nandrotsaka kandidà ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina i Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, afakomaly. Manana traikefa Randriamandranto Richard, minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha. Mahafeno fepetra izy, fa efa niasa ela teo anivon’ny Comesa.
Solontena folo avy amin’ny Primatiora ary folo avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika no niofana tany Chine, ny herinandro teo. Ao anatin’ny fiaraha-miasan’i Chine sy i Madagasikara izany, nampahafantarina ireo dingana lehibe nataon’i Chine nahatonga azy ho anisan’ny firenena matanjaka maneran-tany. Nisy koa ny fitsidihana orinasa, nampahalalana ny fifandraisan’ny fanjakana sy ny orinasa, ny lalan-tsaina sy ny soatoavina hampandrosoana ny firenena sy ny orinasa….
Nohamafisina ny fiaraha-miasan’i Mada­gasikara sy Indonezia eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy fambolena ary ny toekarena manga. Ireo sehatra ireo izay sokajian’ny firenena roa tonta ho laharam-pahamehana amin’ny fampandrosona maharitra sy fitomboan’ny toekaren’ny firenena. Nandritra ny fihaonana teo amin’ny ministry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, sy Lanang Seputro, Mpiandraikidraharahan’ny firenena Indonezianina, no nanamafisana izany.

Nisy ny fampiofana ampitain-davitra an’ireo mpikambana eo anivon’ny Ovec na ny Rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny filatsahan-kofidina- Fifidianana Ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina 2024. Na teo aza ny traikefa sy fahaiza-manao efa ananan’ireo mpiofana, anisan’ny tena nampiofanina azy ireo ny mampiavaka ny fifidianana Ben’ny Tanàna, tamin’ireo nisy teo aloha.

Partager sur: