Filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry: fandresena telo sosona !

Hatao eto Madagasikara, ny volana aogositra 2025, ny lanonam-pametrahana ofisialy ny filoha hitantana ny Sadc, taona 2025-2026, Rajoelina Andry. Fandresena lehibe ho an’ny Malagasy ny nahavoafidy azy.

Ny volana aogositra, taona 2025, 12 volana aorian’ny nahavoafidy azy no hapetraka amin’ny fomba ofisialy ho filohan’ny Sadc, ny filoha Rajoelina Andry. Ho tanterahina eto Madagasikara, mandritra ny fihaonana an-tampony faha-45 ny vondrona izany. Mandritra ny fotoana no hisian’ny lanonana fifamindran-draharaha sy ny fifamindram-pahefana.
Madagasikara rahateo no firenena neken’ny besinimaro, nivory farany teo tany Harare, renivohitr’i Zimbabwe, fa handray ny fivoriana manaraka.
Efa nanamafy ny hahatongavany eto Madagasikara avokoa ny filohan’ny firenena 15 hafa, mpikambana anatin’ny Vondron’ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afri­ka dia : i Afrika Atsimo, An­gola, Botswana, Comores, Repoblika demokratikan’i Con­­go, Eswatini, Lesotho, Malawi, Maorisy, Mozambika, Namibia, Seychelles, Tan­zania, Zambia, ary i Zim­babwe.
20 taona aty aorian’ny nidiran’i Madagasikara ho mpikambana ao amin’ny Sadc, izao voafidy hitantana azy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Porofon’ny fankasitrahan’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Sadc ny fahaizana mitarika hananan’ny filoha malagasy izany.
Manamafy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy, tarihin’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika fa fandresena telo sosona sady miezinezina ho an’i Madagasikara ny nahavoafidy azy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny firenena no misy filoha roa sosona tahaka izao : Sady filoham-pirenena no filohan’ny vondrona iraisam-pirenena goavana. Nilaza ihany koa ny minisitra fa ny ezaka momba ny diplomasia rehetra vita hatrizay dia entina hametrahana ny firenena malagasy amin’ny toerana mendrika azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Randria

Partager sur: