Franglish eto Madagasikara : mampanantena fampisehoana miavaka ny mpikarakara

Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nampahafantarana ny mahakasika ny fampisehoana ho ataon’i Franglish eto Madagasikara. Hiavaka ary tena goavana ny fampisehoana, araka ny nambaran’ny mpikarakara.

Hanatanteraka fampisehoana lehibe eny amin’ ny Lapan’ny Kolon­tsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 22 septambra 2024, i Franglish. Tera­tany frantsay mpanakanto izy, ary Malagasy mpanakanto manana ny lazany maro no hiaraka hanatontosa izany hetsika lehibe izany aminy. Ankoatra ny fanomezana tombon-dahiny sy fahafaham-po ireo mpankafy an’i Franglish eto Madagasikara, tanjon’ny mpikarakara ny hitondra mozika avo lenta sy manana ny maha izy azy avy any ivelany ho fitaratra ho an’ny mozika eto an-toerana.
Mpihira, mpandihy ary mpi­angaly ny gadona Rap i Franglish. Ao anatin’ny fisandratany tanteraka ity Frantsay mpanakanto ity, ary anisan’ireo misongadina, araka ny fa­nasokajian’ny Universal Music Africa azy. Izany no anisany nisafidianan’ny mpikarakara azy. Ny mpikarakara izay ahitana ny Manoova, amin’ny alalan’ny Moozik, sy ny Telma…., izay miray vina tanteraka amin’ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny zavakanto eto Madagasikara. Vinavinaina haharitra adiny 4 ny fampisehoana. Malagasy mpanakanto no hialoha lalana azy mandritra io fotoana io. Efa vonona ihany koa ny mpikarakara hanome fahafaham-po sy fahafinaretana ny mason’ny mpijery, amin’ny alalan’ny jiro maroloko sy haingon-tsehatra isan-karazany.
Firenena maro manerana izao tontolo izao no hanatanterahan’i Franglish fampisehoana amin’izao fotoana izao, amin’ny maha mpanakanto iraisam-pirenena azy. Mialoha ny eto Madagasikra, hanatanteraka fampisehoana ao Cameroun izy, ny 7 septambra 2024.

Lin

Partager sur: