Harena voajanahary: mirongatra ny trafikana sokatra

Ny eo tafaverina, ny etsy mikasa hoentina hivoaka. Tsy mety foana ny trafikana sokatra sy harena voajanahary eto amintsika, ary tsy vitsy fa aman-jatony ny isany.

Tratra tany ivelan’ny seranam-piaramanidina Ivato afakomaly , ny olona 2 saika ha­nondrana antsokosoko sokatra miisa 208 ho any ivelany. Tsy mbola fantatra ny karazan’ireo sokatra fa efa mandeha ny fanadihadiana. Nisy sokatra lehibe “Astrochelys Radi­ata” miisa 90 ihany koa tratra tany amin’ny kaominina Belo­ha, distrika Tsihombe, faritra Androy, ny alatsinainy 18 ao­gositra teo.
Tonga tany Mahajanga, ny herinandro lasa teo, ny sokatra miisa 138, tratra tany Comores, volana vitsy lasa izay. Nifarimbona nanatanteraka izany ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) ny fikambanana iraisam- pirenena Turtle Survival Alliance (TSA) ary ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Tsiahivina fa miisa 400 ireo tratra tany Comores, fa ny 232 no tafody aty Madagasikara, saingy 138 sisa no velona. Hapetraka any amin’ny valanjavaboahary Berenty Toliara ireo biby ireo mialoha ny hamerenana azy anaty ala fonenany.
Nilaza ny minisitra Medd, Max Andonirina Fontaine, fa eo am-pikarakarana koa ny fampodiana ny sokatra sy ny varika avy any Thaïlande ho aty Madagasikara. Efa tonga eto amintsika ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny fitsarana Thaïlandaise, hanamarina aty ifotony fa tena avy aty Madagasikara tokoa ireo biby ireo.

Miparitaka ny toerana

Raha aravona, azo adika fa tena mirongatra ny trafika antsokosoko, indrindra ny sokatra, eto Madagasikara. Tsy maintsy ahenoana hatrany olona tratra na koa sokatra nariana, toy ny tany Sabotsy Namehana, volana vitsy lasa izay.
Miparitaka ihany koa ny toerana nahatrarana azy ireo eto an-toerana (Tsihombe, Toliara, Mahajanga, Antana­narivo, …) sy ny firenena hanondranana azy ireny, toy ny any Indonezia, Thaïlande, Comores, sns.
Ankoatra ny sokatra sy ny varika, mirongatra koa ny fanondranana antsokosoko zavamaniry baobab madinika (Pachypodium). Raha antontanisa, niisa 2 626 no tratra tao anatin’ny enim-bolana voalohany, ny taona 2024. Tany Atsimo Andrefana ny fiavian’ireo hazo ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: