Nanao fanambarana ny Seces fa tokony
handroso vahaolana voadinika tsara ny fahefana mpanatanteraka, mba hitondra filaminana sosialy maharitra ho an’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Efa nanome tolokevitra maro niainga avy eny ifotony ny sendikàn’ny mpampianatra ka tokony hiainga avy amin’izy ireny no handrafetana vahaolana.
Momba ny toetry ny andro, eo anelanelan’ny 20 hatramin’ny 26 aogositra. Tombanana hisy fiforonana andro ratsy hatrany manalavitra ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy. Harahin’ny Meteo Madagasikara hatrany ny fivoaran’ity tangoron-drahona ity. Varatraza antonony na matanjaka no handrafitra ny toetry ny andro, izay hoelanelanina fandalovana rindrin-drahona, rahampitso sy amin’ny zoma.
Hotolorana mari-pahaizana ireo talen-tsekoly voafantina sy mahafeno ny fepetra takina eo anivon’ny ambaratonga fototra. Tanjona ny hampiakaran’izy ireo ny fahaiza-manaony eo am-panantanterahana ny asany. Manodidina ny 26 565 ireo talen-tsekoly eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra ankehitriny fa hafa avokoa ny mari-pahaizana sy ny traikefan’izy ireo.
Fahaizana miteny Mandarin. Notolorana
mari-pankasitrahana tetsy Ampahibe, omaly, ireo mpitandro filaminana eo anivon’ny Tafika sy sivily nandalina ny teny sinoa. Nahazo izany izy ireo taorian’ny fianarana tao anatin’ny 88 ora. Efa nahavita ny fanadinana iraisam-pirenena amin’ny fahaizana miteny Mandarin, niveau débutant, moa izy ireo.