J-7 amin’ny fanombohan’ ny lalao Olympika, natokana ho an’ireo atleta manana fahasembanana (Jeux paralympiques 2024), hatao any Paris France, anio. Fihaonana hatao ny 28 aogositra ka hatramin’ ny 8 septambra ho avy izao. Mijanona ho mpitazana ny Malagasy amin’ity fa tsy manana solontena. Tsy nahazo ny fanasana manokana “wild card” avy amin’ny Komity iraisam-pirenena olympika misahana ny lalao mantsy i Faravavy Aurelie, izay hany tokana nandrandraina hiatrika izany. Tsiahivina fa saika hifaninana eo amin’ny halavirana 100 m ho an’ireo atleta manana fahasembanana ara-pahitana ny tovovavy. Naneho ny fahadisoam-panantenany ny tenany izay efa niomana fatratra nanomboka tamin’ny taona lasa ary hatramin’ny ora farany saingy izao tsy afaka hanao ity lalao ity izao.
Raha hiverenana, mahatratra 4 400 atleta ka ny 1 859 vehivavy, avy amin’ny firenena miisa 182, no hiatrika ity fihaonana an-tampony ity, ary hiady lohany amin’ny taranja miisa 23.
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy eo amin’ny La place de la Concorde, ny 28 aogositra izany ka hisian’ny filaharan’ireo delegasiona mpandray anjara rehetra. Aorian’izay ny fahatongavan’ ny afo Olympika. Ho fitandroana ny filaminana, mpitandro filaminana miisa 25 000 no hahetsiky ny fanjakana frantsay mandritra ity “Jeux paralympiques 2024”, ity.
Tompondaka