Mba tsy ho endrika ivelany : hamerina ny hasin’ny kolontsaina ny mpikaroka

Miverina eny an-doharano! Faheno matetika io raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina malagasy. Tao anatin’ny 15 taona, niroborobo fatratra ny fety asiana kabary. Ny fi­haonana, itafiana lamba. Ny fomba, hiakanjoana malabary, sns. Mba tsy ho endrika ivelany fotsiny izy ireny. Mivon­drona ao anatina sehatra iray ny mpikaroka, mpahay fomba, mpampianatra, raiaman-dreny, mpianatra, mpanoratra, sns, mba hampahafantatra ny fototra sy ny vontoatin’ireny kolontsaina ireny, hiverenan’ny hasina ao aminy.
Ety am-piandohana, hisafidy lohahevitra iray, isaky ny 15 andro izy ireo. Avy amin’izany no hanaingana ny velakevitra ho an’ireo izay liana. Ny hananana fototra matanjaka vokatry ny fifanakalozana sy ny fifampizarana fahalalana no katsahina, raha ny fanazavan’ny mpikambana ao anatin’ity sehatra ity. Nanterin’izy ireo fa « manana lanja lehibe eo amin’ny fiainan’ny Mala­gasy ny kolontsaina. Noho izany, tsy ny famerenana ny endrika ivelany no mahamaika fa ny fampahafantarana ny fototra. Na izany aza, tsy afaka ny hilaza ho manana ny ampy amin’ny fahalalana izahay, noho izany, homena sehatra lehibe ny fifanakalozana ».
Amin’izao fiatombohana izao, hiompana kokoa any amin’ny zavakanto ny fampahafantarana ny fototra, hokarakarain’ity sehatra vaovao ity. Hisy ny velakevitra sy fifanakalozan-kevitra momba ny hira fahiny avy eto Imerina.

HaRy
Razafindrakoto

Partager sur: