Nankatoavin’ny IFMA Ocean Indian, ny 14 aogositra lasa teo, ny maha Tale Teknika Nasionaly, an’ny Maître Razanajatovo Gildas, eo anivon’ny federasiona malagasy ny Muay Thaï. Nankato izany koa ny African Muay Thaï Union, izay nanao ny Sonia ny taratasy nanendrena azy. Nambarany izany ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Raha tsiahivina, ny 22 mey no voatendry ho eo amin’ny toerana io izy ary efa nanatanteraka ny andraikiny avy hatrany,nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara farany teo. Nohamafisin’ny Maître Gildas fa niaina tao anatin’ity taranja ity ny tenany ary izany no antony nanekeny ny fanendrena azy. Manana ny vinany izy amin’ity fanatsarana ny Muay Thaï eto Madagasikara. Hampandroso ny taranja sy hahalasa matianina ny mpikatroka malagasy no tena tanjoko ary indrindra hampitombo ny isan’ny mpikatroka manerana ny nosy. Eo ihany ny lafiny teknika izay hojerena akaiky ny hampiakarana sy hampitoviana izany amin’ny iraisam-pirenena.
Mi.Raz