Raha tahaka izao…: tsy maika ny fandikan-teny

Na, manao fampitahana, na mandika ny teny vahiny amin’ ny teny malagasy! Saika iharan’io fandaniam-potoana tsy hitondra vokatra tsara ho an’ny fampivelarana ny teny malagasy io ny ankamaroan’ny Malagasy. Lesoka tamin’ilay « fanagasiana » (Repoblika faharoa), manomboka miverina sy miha mahazo vahana indray amin’izao fotoana.
Inona ny azo handikana ny hoe… amin’ny teny malagasy (na amin’ny teny frantsay)? Tratran’ny tahaka io avokoa ny sehatra rehetra (toekarena, kolontsaina…). Samy milaza izay heveriny fa mahadika ilay teny, ireo manana ilay fahazaran-dratsy. Na, hiholika havia na hiholika havanana, anefa, tsy ho voadika amin’ny teny vahiny mihitsy ny « fanahy », « hary », « fokonolona », « tandindona »… Tsy azo ampitahaina amin’ny teny vahiny hafa ireo, satria, ny fototra nipoirany mihitsy no tsy hita any amin-dry zareo.
… Niova hatramin’ny tena vontoatin-kevitra fonosin’ny teny malagasy. Reny iray, ohatra, lasa niteraka olona an-tapitrisany. Ny tranga, na olona mety hiteraka hatezerana, lazaina fa « mampihomehy ». Ny kabary, nanjary vita amin’ny teny vahiny, hono!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: