Safidy-momba ny fifidianana : “Mila fanazavana sy fanofanana ny olom-pirenena”

“Tamin’ny fifidianana 2019, fifidianana roa no nokarakaraina: ben’ny Tanàna, mpanolotsain’ny Tanàna. Ao anatin’ny lalàna lany tamin’ny desambra 2023, lisitra no havoakan’ireo mpirotsa-kofidina amin’ity fifidianana manaraka ity. Ny kandidà no mitarika izany, ary aoriany ny filankevitry ny kaominina.” Io ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Noho izany, mila fanazavana sy fanofanana ny olom-pirenena.
Tamin’ny fifidianana 2019, nisy kaominina tsy nanana kandidà ho mpanolotsaina. Amin’ity raha vao mirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna ny kandidà iray, tsy maintsy miaraka amina ekipa mpanolotsaina. Misy fiakarany ny anto-bola firotsahan-kofidina amin’ny ankapobeny. Nefa tsy anto-bola roa no harotsaka amin’izao, fa iray ihany, araka ny lisitra na ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina miaraka. Ny indro kely amin’izao: ny sarin’ny kandidà ben’ny Tanàna ihany no hita ao anatin’ny biletà tokana, araka ny lalàna. Ny dikan’izay, tsy fantatry ny olom-pirenena ny kandidà ho mpanolotsaina. Ny fijerena ny petadrindrin’ireo kandidà no hahafantaran’ny olom-pirenena izay: iza no kandidà ho ben’ny Tanàna, iza ireo ho mpanolotsaina hiara-miasa aminy?
Notsiahiviny fa ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana depiote izay nifarana tamin’ny 15 mey 2024 ihany no hampiasaina amin’izao fifidianana kaominaly izao, na ao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy aza ny datin’ny fifidianana 11 desambra.

R. Nd.

Partager sur: