Sehatry ny fandriampahalemana: hamafisina ny fahaiza-manaon’ ny vehivavy eto Madagasikara

Mbola ambany ny taham-pandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Ilaina hamafisina ny fahaiza-manao mba hirosoan’izy ireo amin’io sehatra io.

Nanomboka omaly hatramin’ny 22 aogositra izao, etsy amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano, ny atrikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy. Ahitana ireo vehivavy mpandray anjara fototra amin’ny fandaharanasa mahakasika ny fandriampahalemana sy filaminana ary ny fampiharana ny Drafi-pirenena momba ny fandraisana fanapahan-kevitra, laharana 1 325. Drafitra noraisin’ny filankevitry ny Firenena mikambana ho an’ireo mpandray anjara fototra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.
“Efa maromaro ireo vehivavy sahy mandray andraikitra eo amin’ny firenena, toy ny any Tanzanie, raha eo amin’ny sehatry ny politika”, hoy i Fabrice Kitenitonga, Chargé de la médiation et de la considération de la paix au sein du Sadec. Nambarany fa nisy fahatarana kely ny fandrai­san’izy ireo anjara amin’ny sehatry ny fandriampahalemana sy filaminana. Mila hamafisana, araka izany, ny fahaiza-manaon’ny vehivavy mba hampiroboroboana ny fandraisan’anjara mavitrika amin’izany sehatra izany ka antony nanaovana ny atrikasa. «Napetraka ny drafitrasa nasionaly momba ny fandaharam-potoanan’ny vehivavy, mba hampiroboroboana ny fandraisan’anjara mavitriky ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana sy filaminana», hoy hatrany izy. Ahafahana misoroka sy hamaha ny olana sy ny disadisa misy rehetra eto amin’ny Nosy ihany koa izany.

Nanomboka tamin’ny tao­na 2018 hatramin’ny taona 2030 ny faharetan’ity fandaharanasa ity. Novolavolain’ny Sadec ho an’ny vehivavy mahakasika ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Ahitana mpikambana 8 mamolavola ny Drafitrasa nasionaly momba ny fandriampahalemana sy ny filaminana ary anisan’izany i Madagasikara.

Mino

Partager sur: