SOMBIM-BAOVAO

Ho fanomanana ireo mpilalao handimby ny Makis Ladies, hisy lalao fifantenana ho an’ireo ankizy la­tsaky ny 17 taona hatao etsy amin’ny Kianja Makis, ny 24 sy 25 aogositra ho avy izao. Handray anjara amin’izany ny SCB Besarety, ny UAS Cheminots, ny Edo, ny Madecasse sy Andavamamba ary ny faritra Atsimo Andrefana, Amoron’i Mania, Atsinanana.
Hitohy etsy amin’ny Kianja Malacam, ny
alahady ho ayv izao, ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny “Federa 2”, taranja rugby. Lalao efatra no voalahatra ka anisan’ireo andrasan’ny rehetra ny donan’ny CEA sy ny 3FAI. Eo koa ny an’ny Ikopa sy ny FTam ary ny FTAT sy ny FTA. Hanokatra ny fotoana ny an’ny Asa sy SCB.
Hatao eny Manintona, ny 7 sy 8 septambra ho avy izao, ny dingana fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja mekanika, “slalom”, sy ny “course de côte 2024”. Fihaonana karakarain’ny Federasiona sport-auto malagasy (FSam). Hanana ny lanjany lehibe io satria mety hamaritra sahady izay ho tompondaka 2024.
Anio no niala tatsy Maurice ary handeha
hihazo an’i Afrika Atsimo ny ekipan’ny Disciples FC. Nialoha izany, nisy ny lalao tsapa nikatrohan’izy ireo tamin’ny ekipam-pirenena Club M Maurice, ho fanomanan-tena. Tsiahivina fa amin’ny zoma 23 aogositra izao ny fihaonana miverina eo aminy sy ny Orlando Pirates.

Partager sur: