Mitohy ny fampiroboroboana ny indostria eny Ifotony. Tonga ao amin’ny distrikan’i Mananjary, faritra Vatovavy, omaly, ny milina hanodinana ny soanambo sy akondro ary vomanga ho lasa « chips ». Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny taninketsa indostrialy. Toerana mamokatra voankazo i Mananjary, mahatratra hatrany amin’ny 60 000 taonina isan-taona ny vokatra azo. Antony nametrahana ny orinasa hanodim-bokatra hoenti-mampiroborobo ny toekarena any an-toerana. Mahavita manodina vokatra 100 kg isan’ora ny milina ary hanome asa ho an’ireo mponina. Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana rahateo ny fampiroboroboana ny indostria hampandrosoana ny firenena.
Fandraharahana
Misokatra ho an’ny mpandraharaha liana hitantana ny milina fanamboarana « chips » ny antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet). Azo alefa amin’ny adiresy mailaka amin’ny rtodimana@yahoo.fr sy zpivatovavy.mic@gmail .com, hatramin’ny 10 septambra amin’ny 4 ora hariva, ireo antontan-taratasy takina. Na koa aterina an-tanana ao amin’ny biraon’ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Dric) Vatovavy, Lot 1B11 Ambalafary Poste, Manakara Be, Manakara 316.
Marihina fa mbola hitohy ny fametrahana ireo milina mpanodim-bokatra manerana ny Nosy hampihodinana ny toekarena sy ny famoron’asa eny ifotony.
Henintsoa Hani