TARATRY ny KANTO

Tanterahina anio, eny amin’ny CGM Analakely, ny « Sokaf’hehy ». Fampisehoana hatsikana, iarahana amin’ireo mpikambana ao anatin’ny Gasy Stand Uppers. Ny karazana hatsika Stand Up no tena hisongadina mandritra izany. Misokatra ho an’ny rehetra, ao anatin’ny fa­najana fepetra, ny fandraisana anjara.

Vitsy sisa ny tapakila afaka jifaina ho an’ny fampisehoan’ny tarika Mage 4, hatao ny alahady izao, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Ma­ha­ma­sina. Lany tanteraka ny tapakila ho an’ny sokajy VVIP sy VIP, andro vitsy mialoha ny fampisehoana. Tsia­hivina fa anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana ity ny fiakarana an-tsehatra voalohany ho an’ny tarika, taorian’ny fiovana nisy teo amin’ny mpikambana.

Nisitraka atrikasa mahakasika ny dihy, fampianarana teny frantsay, vaky boky ary fanaovana sary ny teny amin’ny EPP Andravoahangy, omaly, tao anatin’ny tetikasa AF Mobile. Izy ity izay tetikasan’ny Alliance française mitety ireo sekolim-panjakana eto Antananarivo Renivohitra, ho fampiroboroboana ny zavakanto.

Hisy ny atrikasa mahakasika ny tantara an-tsary, anio, eny amin’ny IFM Analakely. Hisy, araka izany, ny fampianarana ny fototra amin’ity karazana za­vakanto ity, iarahana amin’i Catmouse, izay manana ny maha izy azy amin’ny fanaovana tantara an-tsary, indrindra aty Afrika sy ny ranomasimbe Indianina.

Partager sur: