Roa volana izao no nanjavona tsy hita ny Lehiben’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hita popoka ilay ranamana izay noheverina fa niangaran’ny vintana sa tena nanam-bintana raha samy tandapa. Tsy misy vaovao ofisialy momba azy kanefa dia vanim-potoana tena ilana azy indrindra izao. Lasa mihazoazo ilay fitantanana ny tanàna!
Mitarazoka sy tsy hita be ihany ny fitantanana ilay renivohitr’i Madagasikara. Ireo filoha lefitra tsy afaka ny handray fahefana avy hatrany raha mbola misy ny tsy mazava. Sanatrian’ny vava hisora-tena toa papelika ka hijabaka any amin’ny tsy tokony ho izy. Sanatria ny hatao hanirina no hampivandravandra tsy amin’ny fotoany. Inona no tena marina? Mendrika ny hahalala ny zava-misy marina ny vahoaka.
Hatrany am-boalohany no efa tokony hahalala ny miandry azy tao ny filohan’ny delegasiona manokana. Na ny iraka ankinina aminy izany na ny asa tokony hataony. Aiza no hisy iraka roa volana any ivelany izany? Tsy kilalaon-jaza ny fitantanana raharaham-panjakana. Indrindra miditra anatin’ny vanim-potoana hanomanana ny fifidianana ny eto an-tanàna.
Zava-dehibe amin’ny hoavin’ny firenena rahateo ny fizotra sy ny vokatry ny fifidianana eto an-dRenivohitra. Iraha-mahalala fa iankinan’ny hoavy politikan’ny firenena amin’ny ankapobeny rahateo ny kandidà na ny antoko lany eto Antananarivo. Hita taratra fa misy kisary politika hafahafa rahateo misoritra, ankehitriny. Tsy azo atao tandrevaka izany!
Mila mailo sy malina Antananarivo sy ny mponina ao aminy manoloana ny kajikajy isan-karazany. Vanim-potoana hambolena fijery miabo izao mba tsy hisian-draha tsy manjary. Mila fanazavana sy vahaolana haingana ilay resaka fitantanana ny Renivohitra. Mila mangaraharaha amin’ny olona nametrahana andraikitra.
r.r