Nahazo lavadrano mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 3 ny lemaka fambolena any Ambararata, distrika Manja, faritra Menabe. Manodidina ny 10 000 ny tantsaha misitraka ity fotodrafitrasa ity, manondraka velaran-tany 360 ha rehefa tena ara-dalàna ny rano, raha 80 ha no voatondraka teo aloha. Avy amin’ny tetikasa AD2M, ao anatin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae), famatsiam-bola avy amin’ny Fida.
Toerana fiompiana trondro roa samy hafa no notsidihin’ny Fitantanam-paritry ny minisitera maromaro tany Nosy Be, ny 19 aogositra teo. Anisan’izany ny an’i Tatie Chris, any Andranobe, Ambatozazavavy, izay nisedra olana teo aloha, saingy efa voafehiny ny rano ary velona tsara daholo ny trondro ompiany. Nomena toromarika ara-teknika kosa i Edouard, any Bevoay, toy ny fampirisihana azy hiompy lalitra hatao sakafon-trondro.
Nanainga teto Antananarivo, ny alahady teo, ireo olona miisa 136 hanatrika ny “Festival Festikite”, hatao ny 23-25 aogositra, any amin’ny Helidranon’i Sakalava, any Antsiranana. Miara-mikarakara ity hetsika ity ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny Scofield Travel ary ny Vakansy sady Mora. Mandritra ny 11 andro ny fivahinianan’izy ireo any an-toerana, ka ao anatin’izany ny dia eny an-dalana mandroso sy miverina.