Manomboka eo amin’ny 25 000Ar ka hatramin’ny 30 000Ar ny kilaon’ny lavanila maitso ao amin’ny faritra Sofia. Nihena ny vokatra tamin’ity taona ity saingy tsara ny kalitaony. Kaominina telo, ao amin’ny distrika Bealanana, kosa no misy ny tsenan’ny lavanila dia ny any Ambohimisondrotra sy Ambodisikidy ary Ambararata. Nidina ifotony tany amin’ny faritra Sofia, nandritra ny telo andro, ny ekipan’ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Dric) Sofia, ny faran’ny herinandro teo, nijery ny zava-nisy. Voamarina fa lohalaharana amin’ny habetsaky ny vokatra lavanila ireo kaominina telo voalaza etsy ambony ireo amin’ity taona ity, ho an’ny faritra.
Mbola tsy misokatra kosa ny tsenan’ny lavanila ho an’ireo kaominina any amin’ny distrika Mandritsara sy Befandriana. Nampahatsiahy, araka izany, ny Dric fa tokony hajaina ny tetiandro mba hitsinjovana ny kalitaon’ny vokatra. Nentanina ihany koa ireo mpamboly sy mpanangom-bokatra hitandrina ny fepetra isan-tsokajiny, hisorohana ny fahasimban’ny lavanila. Nampahafantarina nandritra izany ireo lalàna sy ireo fomba hikirakirana ny vokatra mba hitazomana ny kalitaony. Marihina fa voly fanondrana iray mampiavaka an’i Madagasikara ny lavanila, noho ny kalitaony izay anisan’ireo tsara indrindra maneran-tany.
Henintsoa H.