Olona miisa folo mpitatitra rongony hihazo an’i Manakara voasambotry ny zandarimaria tao Vohimasy, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny kaomandin’ny tobim-paritra momba ny fisian’ireo olona mitondra zava-mahadomelina ireo. Voasambotra tao amin’ny fokontany Ambalaroka Belahala, kaominina Tovona, distrikan’i Farafangana ny olona efatra. Rongony milanja 82 kilao nafatratra tao anaty gony. Nentina namonjy ny biraon’ny zandary izy efa-dahy ary nogiazana avokoa ny rongony. Ankoatr’io, enin-dahy hafa tra-tehaka nitondra rongony 10 gony tao Ranomena, distrikan’i Vaingaindrano, ny alatsinainy 19 aogositra teo. Notaterina avy any Betroka ireto zava-mahadomelina ireto ary nokasaina hamidy eto Antananarivo. Atolotra ny fampanoavana izy 15 mirahalahy aorian’ny fanadihadiana. Ho dorana avokoa ny rongony.
Tsiferana R.