Amboaran’ny Caf : ady sahala ny Elgeco Plus sy ny CD Lunda

Notanterahina omaly, tany Angola, ny lalao mandroson’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf, dingana savaranando, taranja baolina kitra, ho an’ny Elgeco plus de Madagascar sy ny CD Lunda Sul Angola. Ady sahala 1 no ho 1 no nisarahan’ny roa tonta tamin’izany. Nanindry tanteraka ny Malagasy tamin’ity fifanandrinana ity. Ny Elgeco Plus no nitarika 1 no ho 0, teo amin’ny fidirana voalohany. Baolina izay tafiditr’i Safidy, lohalaharana teo amin’ny minitra faha-15. Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nanasahala ny isa teny amin’ny solaitrabe ny mpilalaon’ny CD Lunda Sul. Niezaka nanova paikady ny andaniny sy ny ankilany saingy tsy nampiova ny vokatra izany ka 1 no ho 1 ny fiafaran’ny lalao. Tsy mbola vita ny fifanintsanana ho an’ny klioba roa tonta, misy ny fihaonana miverina izay hatao any an-toerana ihany, ny alahady ho avy izao. Tsara marihina fa misy mpijery amin’izay io lalao io, noho ireo Lunda Sul izay handray ny lalao miverina. Ampahatsiahivina ihany fa tsy nisy mpijery ity fifanandrinana mandroso ity satria ny Elgeco Plus no nandray izany. Marihina fa atao tany Angola avokoa ny fihaonana rehetra amin’ity dingana voalohany ity noho ny tsy fisian’ny kianja ankatoavin’ny Caf eto Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: