Zava-dehibe, maika… Izay ny lafiny sosialy na ny fiainam-bahoaka amin’izao. Hanao ahoana? Maneho ny heviny ny avy amin’ny olom-pirenena tsotra hoe maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Inona no tena maika andrasan’ny vahoaka amin’ny governemanta vaovao?
Anjaramanantsoa Laza Fanambinana (-): Ny fampandehanana ny raharaham-panjakana ankapobeny… Ny lafiny maha olona na ny sosialy izany: fandriampahalemana, fampianarana, fahasalamana… Maika koa ny fotodrafitrasa hanomezana asa ny vahoaka: lalana, tohodrano… Tokony hananan’ny governemanta vaovao ezaka be izany rehetra izany, tsy ho vita vetivety na indray andro. Farafaharatsiny, hitan’ny vahoaka taratra fa mandray andraikitra sy manarina mivantana ny fiainam-bahoaka ny governemanta.
* Ary ny andraikitry ny vahoaka?
– Hiatrika ny fifidianana ben’ny Tanàna isika. Ny fandraisana andraikitra amin’ny fifidianana amin’izay hiara-miasa aminy no fandraisan’ny vahoaka anjara amin’ny raharaham-pirenena. Na ho ben’ny Tanàna io, na ho mpanolotsaina. Izy ireo no mahafantatra antsipiriany izay mahasoa ny vahoaka, izay hametraka azy ireo eo amin’ny toerany hananany antoka amin’ny fampandrosoana. Eo koa ny fampitomboana ny harin-karena amin’izay sehatra azo idirana sy ara-dalàna. Zava-dehibe ahatsapan’ny mpisehatra sosialy rehetra amin’ny asa mivantana. Tsy fanampiana fotsiny ny lafiny sosialy. Misy ny fahasahiranam-bahoaka, fa poizina ho azy ny fieritreretany hanalana izany amin’ny fandraisana maimaimpoana fanampiana na fanomezana. Arakaraka itadiavan’ny fanjakana fanampiana ho azy no itadiavana lalam-bola avy any ivelany. Lasa voafatotry ny mpamatsy vola ny fanjakana amin’izany.
* Tsy lasa olana ve izay?
– Lasa miandry toloram-potsiny ny vahoaka, fa tsy miasa na mitady asa. Raha te ho marin-toerana ny fanjakana, voatery mitady fanampiana hanampiana vahoaka. Tsy mampivoatra ny toekarena sady mahapotika sosialy sy ny politika izay. Tsy misy mifototra amin’ny fampandrosoana na ny fitondram-panjakana na ny vahoaka, fa lasa mitady fanampiana vetivety hahamarin-toerana. Raha te hiala amin’izay, ny fampanana asa no tokony hoezahina. Ilaina ny fanampiana fa fanampiana hanaovana asa na miteraka asa ho an’ny olona no maharitra sady vola miditra ho azy.
Nangonin’i R. Nd.