Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika any am-ponja ny mpangalatra moto iray tao Soanindrariny, kaominina Antsirabe II, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana fa lasan’ny olon-dratsy ny moto iray tao Miaramasoandro, ny 24 jolay teo. Voaray tamin’io fotoana io ny anaran’ny olona ahihina ho tompon’antoka tamin’ny fangalarana. Nanao fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana. Naharay angom-baovao fa misy mivarotra ilay moto saingy efa novain’ireo tsy valahara ny lokony, ny 14 aogositra teo. Nanao ny fanamarinana rehetra ny mpanao fanadihadiana. Noraisim-potsiny ny mpangalatra. Nogiazana ny moto. Nentina natao famotorana izy ka niaiky heloka. Natolotra ny fampanoavana io jiolahy io ka notanana am-ponja miandry ny fitsarana azy. Karohina ny mpiray tsikombakomba aminy.
Tsiferana R.