Arai : raikitra ny fandraisana tale jeneraly vaovao

Nanomboka omaly ny fandraisan’ny Komity mitandro ny fahitsina (CSI), Antanina­renina, ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kotendrena ho tale jeneralin’ ny Rafitra famerenana amin’ ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), taorian’ny nahalasanan’ny tale jeneraly ny 14 mey teo. Miantoka ny fahaleovantenan’ny rafitra miady amin’ny kolikoly ny CSI, araka ny And. 40 Andl. 2 amin’ny lalàna 16-020 tamin’ny 22 aogositra 2016. Ao anatin’izany ny fandraisana ny tale jeneralin’ny Arai, izay tendren’ny filohan’ny Repoblika amin’ny didim-panjakana raisina amin’ny alalan’ ny anarana telo atolotry ny antsasa-manilan’ny mpikamban’ny vaomiera manokana misahana ny fandraisana mpiasa. Ny CSI no manangana ny vaomiera manokana mandinika antontan-taratasy firotsahana, izay ahitana ny filohan’ny CSI, ny solontenan’ny Primatiora, ny solontenan’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny solontenan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny avy amin’ny firaisamonina sivily.

R. Nd.

Partager sur: