Baolina kitra – Fifanintsanana “Can 2025”: “Haka isa 6 no tanjona”, hoy ny Me Rôro, mpanazatra ny Barea

Kihon-dalana goavana amin’ny Barea de Madagascar ny lalao roa voalohany amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, taranja baolina kitra. Tanjona ny hakana isa 6 manoloana an’i Tunisie sy i Comores, hoy ny Me Rôrô.

Ny talata lasa teo, vao tafaverina an-tanindrazana ny Me Rakoton­drabe Romuald (Rôrô). Oma­ly, nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny biraon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Isoraka izy. Nambarany fa raha te hanao Can 2025, mila maka isa 6 amin’ireo lalao roa voalohany, hikatrohana amin’i Tuni­sie ny 5 sy amin’i Comores ny 9 septambra ho avy izao. “Tsy vitan’ny vava anefa izany fa eny ambony kianja mahita azy”, hoy izy.

Tsy mitovy intsony anefa ny zava-misy tamin’ny 5 taona lasa raha ny fijeriny ny lalao hikatrohana amin’i Tunisie, satria tsy i Tunisie sy ny Barea tamin’izany intsony no hiaona amin’izao. Ny amin’ny tsy filalaovana eo Mahamasina, efa niomanan’izy ireo ara-tsaina. Raisiny ho tombony ny fifandonana amin’i Comores, ao Tunisie noho ny tsy fisian’ny fifindrana toerana izay miteraka fikorontanana, eo amin’ny mpilalao. Nitondrany fanazavana ny amin’i Ajorque, izay nanapa-kevitra ny tsy hanao Barea satria tsy mihevitra ny tenany ho Malagasy ary mamela ny toerany ho an’ireo mpilalao zandry. Ny amin’ny toeran’i Couturier, heveriny hisolo azy, i Johan N’Zi mpilalaon’ny Lokomotiv Plovdiv. Ny amin’ny fanaovana lalao tsapa, notsoriny fa tsy hisy intsony ny fotoana amin’izany noho ny fisian’ireo mpilalao sasany mbola hiatrika fihaonana ao amin’ny kliobany ny 1 septambra. Noho izany, hanomboka ny 2 septambra ho avy izao vao hisy fampivondronana miaraka ho an’ireo mpilalao 26.
Farany, nilaza izy fa tsy manana olana ho an’ny mpilalao ary misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’ny ekipam-pirenena fa miankina amin’ny fahaizany sy ny zava-bitany ny hiantsoana azy ireo.

Tompondaka

Partager sur: