Hira, iray amin’ireo fomba na fitaovana nentin’ny Malagasy nanabe sy nitaiza ny zanany. Tany ambadik’Imanareza, tsy nahenoina hira vahiny nokaloin’ny taranaka malagasy, teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Nahazo laka ny fihirana ny « Diavolana fenomanana takariva », « Fialonana », sns. Tafiditra tao anatin’ny fanabeazana avokoa ny tahaka ireny. Nanana ny akony tamin’ny taranaka Malagasy.
Amin’izao vanim-potoana izao, zara raha heno sisa ireo hira malagasy mirakitra fanabeazana. Sady tsy nohiraina teny anivon’ny fiarahamonina no tsy natsofoka any anaty fandaharam-pianarana. Nomena vahana ny hiran’ny mpanjakazaka an-tanin’olona. Azo antoka fa tsy mifanaraka velively amin’ny kolontsaina malagasy izy ireny, satria, tsy noforonina ho an’ny Malagasy.
Vitsy dia vitsy sisa ny zaza malagasy no mahafantatra ny momba azy. Lazaina sy notezaina tamin’ny tononkira vahiny ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora malagasy. Tsy ahafantatra velively ny ambaran’ny tononkira manao hoe : « mandihiza Rahitsikitsika, hianaranay raha fararano »… Nanjary ratsy taiza ny Malagasy. Mora volavolaina ho tonga « Rajakom-bazaha ». Bofandrahana ho « tsy mataho-tody », sns.
Tsy mahagaga raha very eto amin’ny tanindrazany ny Malagasy. Mifanohitra amin’izay, manomboka mahazo vahana ny fomba vahiny izay tsy mifanaraka amin’ny lamina voajanahary iainan’ny Malagasy !
HaRy Razafindrakoto