Tsy maintsy hatsangana ny andrimasom-pokonolona, tsy maintsy mikatona ny toeram-pisotroana rehetra aorian’ny amin’ny 10 ora alina…Santionany amin’ireo fepetra noraisina manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina…
Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana mahazo vahana ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana, tsy nijery fotsiny izany ny tomponandraiki-panjakana tarihin’ny prefet-n’i Toamasina, Benandrasana Cyril. Namory ireo sefo fokontany sy mpandraharaha mpikirakira vola rehetra izy tao amin’ny efitrano fivorian’ny prefektiora Mangarano, omaly maraina. Nihodinkodina teo amin’ny anjara andraikitry ny fokonolona sy ny sefo fokontany hatramin’ny mpiray vodirindrina izany. Antoky ny fametrahana fandriampahalemana voalohany ny eny anivon’ny rafi-piaraha-monina isam-pokontany. Nomena iray volana ny isam-pokontany mba hanangana ny andrimasom-pokonolona any aminy avy. Samy manao fanentanana isaky ny fokontany. Tsy misy toeram-pisotroana misokatra intsony aorian’ny amin’ny 10 ora alina. Samborina avy hatrany izay tompona trano fisotroana mandika izany lalàna izany ary nohamafisin’ny tonian’ny fampanoavana fa handraisana fepetra araka ny lalàna izay voasambotra.
Tandrevaka…
Momba ilay fandrobana nahaverezana vola 123 tapitrisa Ar tao Ambolomadinika Toamasina, ny alatsinainy teo, nanamafy ny prefet-n’i Toamasina fa tandrevaka ny fahitana izany araka ny hita tamin’ny caméra de surveillance an’ilay tranombarotra voaroba. Nijanona ela teo ambony latabatra fandraisana mpanjifa ilay vola ka tsy taitra akory ireo jiolahy telo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana naka izany. « Tokony hiantso mpitandro filaminana hanaraka sy hiaro ianareo mpandraharaha rehefa hanatitra na haka vola any amin’ny banky », hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomisaria foibe, ny Kaomisera Rakotondrainivonona Panoël Tsiky.
Sajo/J.C