FIHAONAMBEN’ny AFAFI-FET: nosokafana tamin’ny sorona masina

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, tany Antsiranana ny fihaonambe na­sionalin’ny fikambanana masina Afafi-Fet eo anivon’ny fiangonana katolika. Nanom­bohana izany ny sorona masina, notarihan’ny Arsevekan’ An­tsi­ra­nanana, Mgr Benjamin Marc Ramarson. Notronin’ny Evekan’Ambanja sy ireo Pretra maro avy amin’ny Dio­sezy maro eto Mada­ga­sikara. Tonga nanatrika izany ihany koa ny aumônier Nationalin’ny Afafi-Fet manerana ny Dio­sezy eto amin’ny Nosy. Na­nomboka omaly 21- 23 Ao­gositra izao ny hetsi­ka.Tan­terahina ao amin’ny kianja manara-penitra Kianjasoa Mi­tsinjo.
Am­bo­hipihaonan’ireo mpi­no katolika aman’arivony manerana ny Nosy io fihaonambe nasionaly io. Ankoatra ny mpino katolika, tonga tany an-toerana ihany koa ny filohan’ny Antenimieram­pire­nena, Justin Tokely, sy ny filoha lefitry ny Antenimeram­pirenena, Mamangy Norbert, faritany Antsiranana. Ahitana ireo solontenam-panjakana maro samihafa ihany koa. Miandraikitra ny filaminana mba hahatontosa antsakany sy andavany ny fankalazana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana.
Hitohy amin’ny fankalazana ny Eokaristika nasionaly izany, izay atao ny 23 – 25 aogositra izao. « Fihavanana hanasitrana izao tontolo izao, mpiray tampo antsika jiaby », io ny lohahevitry ny fankalazana.

Mino

Partager sur: