Anisan’ny nitana anjara toerana teo amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fihariana, ny hetsika nokarakarain’ny Forello Expo ary matihanina tanteraka. Hohatsaraina sy hihavao izany manomboka izao. « Isaorana ny eo anivon’ny fitantanana ny Forello Expo nametraka fitokisana aminay amin’izao handraisanay an-tanana ny hetsika rehetra, hatao eny Tanjombato izao », hoy ny tale jeneralin’ny Madavision, Ramanantsoa Herilala, tetsy Ankorondrano, omaly. Notanterahina tamin’io fotoana io ny famindrana ny fanilo ho amin’ ny fitantanana izany. Natsidiny fa anisan’ny naharesy lahatra ny mpitantana eo anivon’ny Forello Expo ny traikefa nananan’izy ireo amin’ny fikarakarana hetsika lehibe, indrindra eo amin’ny toekarena sy ny fihariana. Fanamby lehibe ho an’ny Madavision izany ary hoporofoina sahady amin’ireo hetsika hatao amin’ny taona ho avy, araka ny nambarany.
Nambaran’ny eo anivon’ny Forello Expo, tamin’ny alalan’ny tale Laelia Dijoux Monloup, miaraka amin’ny Groupe Hazovato, Gerard Monloup fa manana ny fahaiza-manao sy matihanina amin’ny fikarakarana hetsika na « Salons » ny eo anivon’ny Madavision.
Hanaraka akaiky ny « Foire international de l’agriculture – Fia », ny 12 – 15 septambra izao sy ny « Salon international de l’habitat – SIH », ny 24-27 oktobra izao izy ireo, mialoha ny hanatanterahany ireo hetsika inefatra miantaona amin’ny taona ho avy.
Synèse R.