Manohy ny diany hatrany ny Tanora Masina Itaosy (TMI). Fantatra fa, ho an’ity taona 2024 ity, fotoana tokana no hifanomezan-dry zareo sy ny mponin’i Fiaranantsoa. Ny alahady 25 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny Fo Masin’i Jesoa Talatamaty Fianarantsoa. Seho karakarain’ny FJKM Talata Ampano Fanavaozana. Aorian’io fampisehoana any Fianarantsoa io, eny amin’ny FJKM Ankadiaivo Miaramino indray ny Tanora Masina Itaosy. Alahady 6 oktobra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany.
Raha tsiahivina, ny faramparan’ny taona 2023 no efa nampahafantaran’ny Tanora Masina Itaosy fa feno ny fandaharam-potoanany ho an’ity taona 2024 ity. Maro ny toerana na faritra efa nanatanterahiny fampisehoana. Anisan’ny mampiavaka ny TMI ny fananana hira evanjelika tsotra sy mora raisina, hany ka mahatafita hafatra maro. Eo ihany koa ny fahaizan-dry zareo mandrindra ny feo ananan’ny tsirairay sy ny fampifanarahana izany amin’ny zavamaneno ampiasaina.
HaRy Razafindrakoto