Niainga omaly ho any Nosy be ireo infirmiera an-jatony hiatrika ny fihaonambe ataon’izy ireo. Tanterahina manomboka ny 23 aogositra hatramin’ny 25 aogositra izao ny hetsika. 8 volana izay no nitantanan’ny birao ny holafitry ny infirmier, ankehitriny. Nisongadina tamin’ireo asa vitan’izy ireo ny famolavolana ny code de déontologie sy ny fanatsarana ny tontolon’ny asa amin’ny ankapobeny. Teo ihany koa ny ady natao manoloana ireo mpisandoka ity asa ity. Mahatratra 25 ireo tratra tamin’izany fisandohana izany. Efa nisy ny sazy nampiharina tamin’izy ireo.
Hotanterahina rahampitso ary haharitra roa andro ny «Salon des études universitaires et des formations», andiany faharoa. Tanterahina etsy amin’ny Oriental International Ankasina Ankazomanga. Tanjona ny hahafahan’ny ankizy sy ny tanora hahay hisafidy ny lalam-piofanana tiany hatao rehefa eny amin’ny Oniversite. Nandrasana indrindra amin’ny hetsika tahaka izao ireo ankizy sy tanora vao afaka ny fanadinam-panjakana Bakalorea.
Azo atao tsara ny mamaha ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina any amin’ny faritr’i Menabe. “Hatao laharam-pahamehana amin’izany, ny fisavana an-tanety sy an-dranomasina amin’ny endriny rehetra”, hoy ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka, Général Seraly Hercule. Efa nahazoana lakana iray feno rongony tao amin’ny fokontany Avaradrova. Nanaovana ezaka ihany koa ny eny anivon’ny fokontany.