Trangan-javatra roa no natsidiky ny kaomandin’ny polisin’ny Fip Toamasina, ny Kaomisera Rafaliarivo Jules teo anatrehan’ny fivorian’ny OMC, ny alatsinainy teo nandritra ny famoriana ny sefo fokontany, omaly. Voalohany, ny tandrevaka ataon’ny mpiandry fonja ka mahatonga ny voafonja tafatsoaka ary ireo voafonja tena atahorana mafy sady mpanao fanafihana mitam-piadiana. « Aoka izay ny fampandosirana voafonja fa reraka hisambotra sy hikaroka izahay. Ny ao am-ponja indray ve no hampandosirina ? Tsy mety izany. Izay no antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana », hoy izy. Nohitsiany koa fa tokony hasiana fepetra ny fanomezana fahafahana vonjimaika ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Faharoa, nambaran’ity manamboninahitra polisy ity koa fa maro eo amin’ny samy mpitandro filaminana no manome tombondahiny ireo tanora mpifoka sy mpitsindrona zava-mahadomelina eny anivon’ny fiarahamonina. Samia mandray ny andraikiny fa tsy hitsitsy intsony ny polisy, araka ny filazany teo anoloan’ny OMC hatrany. Ho mafy, araka izany, ny savahao isaky ny alina ataon’ny polisy manerana ny tanànan’i Toamasina.
Sajo/J.C