Lasa ny vola 400 000 Ar: mpanao Cash point norobain’ny jiolahy

Miseholany ny trangam-panafihana ataon’ny jiolahy mitam-piadiana ao Toa­ma­sina. Cash point iray indray lasibatra, omaly. Lasa ny vola sy telefaonina. Telo lahy nandroba Cash point tao Ta­nambao V, kaominina Toama­sina, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Hanokatra ny toeram-piasany toy ny mahazatra, tsy nanampo na inona na inona ny ramatoa iray tompon-tsena. Nitondra ny sakaosy kely fampirimany ny vola niampy ny finday hampiasainy amin’io asany andavanandro io izy. Poa toy izay, narahin’ny telo lahy ity mpanao Cash point ity. Nanaovan’ireo olon-dratsy ramatahora tamin’ny alalan’ny basy PA izy. Noterana hanome ny vola rehetra teny aminy sy ny zava-tsarobidy rehetra. Na­tahotra ny ainy, tsy sahy nanda fa nanome ny vola nitetina 400 000 Ar niampy telefaonina telo teny aminy ny lasibatra.
Karohina
Nanoloana io zava-nitranga io, nametraka fitarainana eny anivon’ny biraon’ny zandarimaria ao an-toerana ny tompon’ny Cash point lasibatra. Nidina an-kianja izy ireo. Nanao ny fanadihadiana rehetra sy ny mombomomba ireo telo lahy nahavanon-doza. Karohina avokoa ireo olon-dratsy amin’izao fotoana. Tsiahivina, tsy mijanona amin’ny fandrobana ihany tato ho ato ny asan-jiolahy ao Toamasina. Mamono mihitsy izy ireo amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana eny aminy toy ny basy sy ny zava-maranitra. Tsy mifidy toerana hanaovana ny asa ratsiny raha teo izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: